Avia ry Fanahy Masina (Bernard Mbokony)

Ry Fanahy Masina ! Avia e midina !
Avia e midina !

  1. Ry Rain'ny malahelo ! Avia, mpizarazara soa...
    Ry Mpanolo-tsaina, avia midina.
  2. Mpanafaka alahelo ! Avia, Mpamelombelona aina
    Fiadanan'izay mijaly, Avia midina !
  3. Fialokalofanay, Avia ! Mpanambitamby anay...
    Fahazavanay, avia midina.
  4. Ry Fahasambaranay, Avia, ry Mpankahery anay...
    Ry Fahamarinanay, avia midina.
  5. Ry Fanantenanay ! Avia !
    Mpanandratra ny iva Razana,
    Mampahay ny bado saina...
    Mampareñy ny mareñiny...Avia midina !
Nampiditra admin
Sokajy Fanahy Masina
Antsao ny Tompo p. 60
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.069