Katsaho Andriamanitra

Tadiavo aloha ny marina,
Katsaho Andriamanitra,
Ny zava-tsoa rehetra
Ilain’ny fo amam-panahy
Omena avy any an-danitra.

Jereo ange ny lisy eny an-tsaha,
Tazàno koa ny vorona,
Tsy mamafy na mijinja,
Fa tantanan’Andriamanitra.

Ô ry velona ô !
Ahoana re ianao ?
Finoana, fitiavana,
Katsaho Andriamanitra.

  1. Ambony lavitra noho ny vorona
    Ny olombelona fonenan’ny Fanahy
    Ary onenan’Andriamanitra.
    (Andriamanitra).
  2. Na i Salômôna mpanjaka
    Tamy voninahiny dia tsy nitafy
    Toy ny lisy maniry eny an-tsaha.
    (Maniry eny an-tsaha).
  3. Moa tsy varifitoventy monja
    No vidin’ny fody iray.
    Nefa tsy misy maty raha tsy avelan’ny Rainareo.
    (Rainareo).
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 56
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094