Ho Anao Andriamanitra Rainay

Dera anie ho Anao
Ho Anao mandrakizay.

1. Ho Anao Andriamanitra Rainay ô !
    F’Ianao no Tompon’ny tany tontolo ô !
    Tompon’ny lanitra sy ny tany e 

2. Masina Ianao ry Tomponay e !
    Mahefa ny zavatra rehetra à !
    Rain’i Jesoa Tomponay e !

3. Ho Anao ry Jesoa Zokinay ô !
    F’Ianao miara-monina aminay e !
    Manamasina ny tantaranay e !

4. Ianao tokoa no Fiainanay e !
    Lalana sy Fahamarinanay e !
    Mitondra anay ho any amin’ny Ray e !

5. Ho Anao ry Fanahy Masina indrindra ô !
    Manamasina ny voaary tontolo ô !
    Ianao manamasina ny andronay e !

6. Ianao manazava ny sainay e !
    Mamelona ny Fiangonanay e !
    Toloranay saotra sy laza à !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 53
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0527