Azovy ka e harahinay

Azovy ka e e harahinay,
Izy ka tsy Anao ry Tompo ô ! (in-2)
Ianao no manaña ny teny,
Hivilômaña mandrakizay. (in-2)

Mpamaly: Ivilômaña mandrakizay.

Mpitarika : Tao amin'i Kristy e,
No nahariana, ny raha jiaby e;.

                Ny añy an-danitry e,
Ny eto an-tany e, tamin'azy sy ho azy e;
                No nahariaña, ny raha jiaby e. (Kol 1, 16).

Mpamaly: Ivilômaña mandrakizay.

Mpitarika : Kristy Zañahary e,
Talohan-draha jiaby, ao amin'azy, .

No aharetan'ny voaary, ny raha jiaby e. (Kol 1, 17).

Lalaña Izy e, fiavian'ny Mariñy e,
Fiainaña Izy e. (Jo 14, 6).

Mpamaly: Ivilômaña mandrakizay.

Mpitarika : Nandresy izy e, fahafatesaña,
Fitsanganan-ko veloño ô ô.

Izy no aiñy e, ny angatahiny amintsika e,
Hañano ny mariñ'e.
Ho tia ny famindram-pony, sy hañaraka Azy.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 49
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0772