Nihinandre ny raha jiaby

Nihinandre ny raha jiaby e !
Nefa i Kristy Tomponandre e e !
Ary i Kristy Tomponandre an’Andriamanitra.

Vahoaka : Oià ie ! an’Andriamanitra. !

  1. Maro aminandre mitsangy ho an’i Paoly,
    Ny sasany ndraiky mitôrôño Apôlôsy,
    Azôvy aminandre ry Paoly sy Apôlôsy ?
    Mpiara-miasa ao an-tanimbôlin-Jañahary.
  2. Apôlôsy sy Paoly, mpanompon-Jañahary,
    Mpiara-miasa, nitondra andre ho amin’ny finoana,
    ‘Zaho Paoly namboly, Apôlôsy no nandrôzy,
    Zañahary no Tômpom-bôly sy nampanjary. !
  3. Andre mpino no veloño iasan-Jañahary
    Andre koa no traño naorin’Izy Tompo,
    Mbola hiharihary ny fomba niasanay ny traño
    I Kristy teña fôtôtro ioreñan-draha jiaby.
  4. Fa ny teñanandre no Tempolin-Jañahary,
    Ny Fañahin’ny Tompo mitoetra ao añatiny,
    Izay mandrava ny traño, haravan-Jañahary,
    Fa ny vatañandre no trañon’Izy Tompo !
  5. Izay mitsangy ho hendry arak’izao tontolo izao,
    Dia ho tsinontsinona eo añatrehan-Jañahary,
    Fa Zañahary mahay ny añam-pôn’ny olon-kendry,
    Ka tsy ny ôlombeloño no atao ho fôto-drehareha.
  6. Paoly sy Apôlôsy, Sefasy sy izao tontolo izao,
    Ny aiñy sy ny faty mbamin’ny niany sy ny ho avy,
    Andre no tômpin-draha jiabiny,
    Hanompoanandre an’i Kristy,
    Fanompoaña an’i Kristy
    No hanompoanandre ny Zañahary.
Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 48
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0666