Azôvy ndreky hahasaraka antsika
Azôvy ndreky hahasaraka antsika e!
Hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy e!
- Fahoriana sa fahaterena ?
- Tsy misy hahasaraka antsika
Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra.
Izay mampiray antsika ao amin’i Kristy e !
- Fanenjehana, sa mosary ?
- Tsy misy hahasaraka antsika ...
- Fitanjahana, loza sa sabatra ?
- Tsy misy hahasaraka antsika ...
- I Kristy no amonoana antsika,
- Tsy misy hahasaraka antsika ...
- Heverin’ny olona ho ondry hovonoina
- Tsy misy hahasaraka antsika ...
- Na ho velona na ho faty isika,
- Tsy misy hahasaraka antsika ...
- Na ny fanapahana na ny anjely,
- Tsy misy hahasaraka antsika ...
- Na ny ankehitriny na ny ho avy,
- Tsy misy hahasaraka antsika ...
- Na ny any ambany, na ny any ambony,
- Tsy misy hahasaraka antsika ...