Izao ny didiko
Nampiditra: admin
Sokajy:
Fiadanana,
Fiaviana,
Izao ny didiko, mifankatiava ianareo,
Tahaka ny nitiavako anareo.
- Tsy misy manam-pitiavana
Noho ny mahafoy ny ainy
Ho an’ny sakaizany hoy ny Tompo.
- Ianareo no sakaizako,
Raha manatanteraka,
Izay nandidiako, hoy ny Tompo.
- Efa nataoko ho sakaizako,
Satria nambarako taminareo
Izay rehetra reko tamin’ny Raiko, hoy ny Tompo.
- Tsy ianareo no nifidy ahy,
Fa Izaho no nifidy anareo,
Ka nanendry anareo, hoy ny Tompo.
- Izaho no nifidy anareo,
Mba handehananareo,
Sy hahavokaranareo, hoy ny Tompo.