Izay entanim-pitiavana sy finoana
Izay entanim-pitiavana sy finoana e e ià !
No afa-manompo an’Andriamanitra,
Amim-pahamarinana lalandava.
- Deraina, isaorana Izy Tompo,
Ny Tompo Andriamanitr’i Israely :
Fa Izy efa tonga namangy antsika,
Nanavotra antsika amin’ny fahavalo.
- Nanolotra antsika herim-pamonjena
Avy amin’ny Fianakaviana iray :
Dia ny an’i Davida mpanompo tiany,
Fa izany tokoa no efa nolazainy.
- Fa teniny nentin’ny mpaminany,
Dia ireo olomasiny fahagola :
« Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo,
Hanafaka antsika amin’ny mpankahala ».
- Noho Izy nandala ny razantsika,
Dia indro tsaroany ny fanekeny :
Fa teniny nomeny an’i Abrahama
Ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.
- Amin’izay isika ho afa-manompo Azy
Tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy :
Fa entin’ny fo tia sy mahatoky
Ho eo anatrehany lalandava.
- Ianao ‘zao anaka no antsoina
Ho ilay mpaminanin’ny Avo indrindra :
Hizotra anoloan’ny Tompo Ianao
Hamboatra ny lalana ‘zay hombanay.
- Ianao hanambara ny famonjena,
Dia ny famelana ny hadisoana :
Satria Andriamanitra fo miantra,
Mandefa masoandro hamangiany antsika.
- Fanilo hanazava an’ireo mitakiky,
Anatin’ny haizina mahafaty,
Fanilo hanazava ny diantsika,
Amin’ny lalam-piadanana lavorary.
- Isaory ny Ray nanome antsika
Ny Zanany ho masoandrom-pamonjena :
Hobio ny Fanahy niantsoana antsika
Ho sambatra hibanjina ny mazava.