Misaora ny Tompo

Nampiditra: admin


  • Antsao ny Tompo p. "39

Misaora ny Tompo ianareo voafidiny
Aoka hilanonana hankalaza azy
Ry Jerosalema tanàna Masina ô !
Nosaziny ianao noho ny otan-janakao
Nefa izy mbola hiantra ny zanaky ny olo-marina
Koa ataovy tsara ny fiderana azy
Hazavana manjopiaka no mamirapiratra
Hatraty ka hatrany am-paravazan-tany.
Misaora ny Tompo ianareo rehetra
Fa ny hatsaram-pony tsy misy fetra.

KA LOMBAO E !

Isaory ilay mpanjakan’ny taona rehetra
Sambatra izay rehetra matahotra azy
Ry fanahiko ô ! isaory ny Tompo
‘Lay Andriamanitra manjaka lehibe
Izy no nanafaka an’i Jerosalema
Tanàna lehibe tamin’ny fahoriany.

(Tb. 13, 10-15, 17-19)  (Nirina Ranoelison)


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0085 s.] - Hanohana anay