Mahafinaritra ny tananan'Israely

Nampàkatra zaho avy tany Harama
Any an-tendrombohitry ny atsinanana
I Balaka mpanjakan’ny Moaba
Nanosika an’i Jakoba tsy ho tezitra amin’Israely
Akôry ataoko hañôzoño.
Raha i Iaveh tsy mañomba
Raha ny Tompo tsy mañambela
Eto ambonin’ny vatolampy
Eto ambonin’ny havoana
Zaho mahatazana.

Mahafinaritra ny tanànan’Israely
Nampiakatra zaho avy tany Harama
Any an-tendrombohitry ny atsinanana
I Baala mpanjakan’i Moaba
Nanosika an’i Jakoba tsy ho tezitra amin’Israely
Akôry ataoko hañôzoño.

Mahafinaritra e, ny tanànan’Israely
Sady sambasambatra e
Ny fonenanao ry Jakoba ô !
Midadasika karà lohasaha
Ny fonenan’Israely
Misy kintana araiky teraka e
Manjaka amin’ny tany jiaby e !

  1. Ino loatra ny raha ataonao,
    Ny hañozoño no niantsoako anao
    Nefa ianao tsy nitso-drano.
    Efa in-telo izao.
  2. Ô ry mpanjakan’i Moaba
    Efa nambarako anao mazava
    Fa Iaveh no nibaiko
    Zaho tsy manohitra ny teniny
    Na dia homenao volamena be.
  3. Ity vahoaka matanjaka
    Tsisy olo-maharesy azy
    Fa Iaveh no mibaiko
    Andriamanitra no tompon’ny tafika
    Io firenena andrianina.

(Athanas Mazava - Fanisana 22)

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 37
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0999