Ho Anao Andriamanitra Rainay

Nampiditra: admin
Sokajy: Trinité Masina,


  • Karine Dera p. "548

 

Dera anie ho Anao, ho Anao mandrakizay

1 - Ho Anao Andriamanitra Rainay ô
F'ianao no Tompon'ny tontolo ô
Tompon'ny lanitra sy ny tany e

2- Masina Ianao ry Tomponay e
Mahefa ny zavatra rehetra a
Rain'i Jesoa Tomponay e !

3- Ho Anao ry Jesoa zokinay ô
F'ianao miara monina aminay e
Manamasina ny tantaranay e

4- Ianao tokoa ny Fiainanay e
Lalana sy Fahamarinanay e
Mitondra anay ho any amy Ray e

5- Ho anao ry Fanahy Masina indrindra ô
Manamasina ny voaary tontolo ô
Ianao manamasina ny andronay e

6- Ianao manazava ny sainay
Mamelona ny Fiangonanay e
Toloranay saotra sy laza a !


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay