Indro ny Tompo velona indray

Indro ny Tompo velona indray izy e
(Indro ny Tompontsika, fa velona tokoa izy e )
Vah: Indro ny Tompo velona indray izy e

1 - Izy ilay nahafantatra ny hanoanana
    Izy ilay niaritra ny havizahana
    Izy ilay tsy nanana izay hampandriany ny lohany

2- Izy ilay nariana, narian'ireo olony
    Izy ilay nolavina, nolavin'ireo namany
    Izy ilay tsy niteny raha nohelohin'ny mpiarabelona

3- Izy ilay nanaiky ny sitrapon'ny Rainy
    Izy ilay nandresy ny fahafatesana
    Izy ilay hanome fiainana be dia be.

Aleloia ! Aleloia a ! Derao !
Fa nandresy e ! Fa nandresy izy e !

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Karine Dera p. 547
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3108