Ireo izay manolotra aminao

Ireo izay manolotra aminao an-kafaliana
No tena ankasitrahanao
Ry Ray ô, ho sorona ankasitrahanao
Ry Tompo ô        
Mba raiso re ....
Fa amin'ny fo madio ô
Omenay manontolo
Ankasitraho re
Na dia tsy mendrika

1- Indro ny mofo
    Ho vatan'i Jesoa ô
    Ho sorom-pitahiana
    Ho sorom-pitiavana
    Ankasitraho re
    Na dia tsy mendrika

2- Indro ny divay e
    Ho tonga ran'i Jesoa
    Hanadiovana ny ota
    Ho sorom-pibebahana
    Ankasitraho re
    Na dia tsy mendrika.

3- Ny fijalianay e
    Akambanay amin'ny an'i Jesoa
    Hiraisanay ao aminao
    Ho mariky ny maha-Zanakao
    Ankasitraho re
    Na dia tsy mendrika.

Nampiditra hery
Sokajy Fanolorana
Karine Dera p. 523
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087