Ry Fanahy Zanahary, ry Fanahy Masina ô

Ry Fanahy Zanahary, ry Fanahy Masina ô
Avia re, avia midina (2fois)
Avia re (3fois), avia midina e e
Avia re (2fois), avia re, avia midina e e.

1- Ry Rain'ny malahelo, ry mpizarazara soa
    Fahazavana re, fahasambarana
    Ry mpisolo vava anay ô, ry mpanitsy dia anay
    Hanambara ny tena marina, avia re, avia midina.

2- Ô  ry fanomezantsoa, Andriamanitra mahery
    Mpanamasina, mpamelombeiona
    Mba sitrano ny fonay, tianay hitoeranao
    Fa maminay tokoa Ianao, avia re, avia midina.

3- Ry mpanafaka alahelo, fanomezan'ny avo indrindra
    Ranovelona, isotroanay
    Hafaliana haravoana, o ry fanantenanay
    Hanavao ny fiainanay, avia re, avia midina.

4- Ô ry tena soa indrindra, fanomezana fito
    Fiadanana, fialofanay
    Ry mpanambitamby anay, ry mpankahery anay
    Ô ry mpanadio anay, avia re, avia midina.

Nampiditra hery
Sokajy Fanahy Masina
Antsao ny Tompo p. 62
Karine Dera p. 509
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0531