Fianakaviana ao amin'ny Ray

Fianakaviana e ao amin'ny Ray
I Jesoa Kristy moa no vato fehizoro
Ka ny herin'ny Fanahy
No handrafetana atsika jiaby e! A a a !
Ho trano fonenan'Andriamanitra.
E e andrafetana atsika jiaby e!

1- I Kristy no lohan'ny Eglizy
Iankinan'ny vatana manontolo
Rantsam-batany atsika ka milamina
Mba hitambatra ka hifanampy tsara
Samia miasa araka ny anjarany avy
Mba hitombo ny vatana manontolo

2- I Kristy no lohan'ny Eglizy
Sady loha amin'ny zavatra rehetra
Ao aminy no sitraky ny Ray
Hiainana ny hafenoana jiaby
Ao aminy no hiavanantsika
Ny any andanitra ary ny eto an-tany

3- Aza adino ny fanaovana ny tsara
Fiantrana no sitrak'Andriamanitra
Atolory ny fanati-piderana
Fiderana Azy Tompo Andriamanitra
Samia ary manolotra ny tena
Ho sorona velona sady masina.

Nampiditra hery
Sokajy Fiadanana
Antsao ny Tompo p. 67
Antsao ny Tompo p. 92
Karine Dera p. 507
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0617