Ny voninahitrao, ry martiry masina
Ny voninahitrao ry martiry masina ô
Manakoako erantany sy andanitra
Mpiaro mahatoky ka iankinanay
Ry Masindahy Maurice, arovinao izahay
Arovy izahay, arovy izahay.
1-  Voahodidin-kazavana
    Ny handrinao madio
    Aoka izy ho fanilo
    Hitari-dalana anay
    Ianao no voatendry
    Ho fianaranay
    Ho tia tsy aman-tahotra
    Ny Tompo tsitoha
2- Ny ady nataonao
    No mahamendrika anao
    Ny satro-boninahitra
    Anagnanao izao
    Ankaherezo koa
    Ny fonay mbola osa
    Handresy ka ho mendrika
    Ny fiketrahanao

