Aleloia mahery Tenin-Janahary e

Ref Aleloia a a, Aleloia a a
Aleloia é é é ia, mahery Tenin-Janahary e

1.  Aleloia e e e ia, mahery Tenin-Janahary e,
    Teny mahefa ny raha jiaby e,
    Na ny hita maso na ny tsy hita a,
    Teny nampisy ny raha jiaby e,
    Na ny añy an-danitra añy na ny eto an-tany,
    Koa avia atsika hiaraka hitandreñy e,
    Fa teny Masiñy sy mahery e.

2. Aleloia e e e ia, mahery Tenin-Janahary e,
    Teny maharitra ho doria,
    Manambara lala-mazava,
    Teny mañiraka hitory e,
    Hitory (ny) vaovao mahafaly e,
    Koa avia atsika hiaraka hitandreñy e,
    Fa Teny Masiñy sy mahery e.

3.  Aleioia e e e ia,
    Mahery Tenin-Janahary e
    Hanambara amin'ny olo-jiaby e,
    Indrindra ho an'izay tsy mahalala,
    Mañamaivaña fahoriaña,
    Mampitraka ny torotoro fo ô,
    Koa avia atsika hiaraka hitandreñy e,
    Fa Teny Masiñy sy mahery e.

4.  Aleloia e e e ia,
    Mahery ny Tenin-Janahary ,
    Teny mahagaga sy mahavariaña a,
    Mañambara fitiavana tsisy tambiny e,
    Teny mañala ny otantsika e,
    Ary antoky ny fiaiñantsika e,
    Koa avia atsika hiaraka hitandreñy e,
    Fa Teny Masiñy sy mahery e.

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 267
Karine Dera p. 496
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0965