Voninahitra an-tampon'ny lanitra

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra ee
Agny antampon'ny lanitra any ee
Ary hiadana ny olona ety an-tany ee
Fa nanehoany ny hatsaram-pony ee ia

Vah: Voninahitra ho Anao e Voninahitra e e

1 - Voninahitra anie ho an'Andriamanitra ee
Agny amin'ny faratampony ambony indrindra
Fiadanana ho antsika eto an-tany e
Fa nanehoany ny hatsarampony e

2-        Voninahitra anie ho an'ny Ray nahary e
Deraina sy ankalazaina Ianao e
Mihoby ny hasinao izahay
Itsaohanay fa be voninahitra e

3-        Voninahitra anie ho an'ny Ray e
Ry Tompo mpanjakan'ny lanitra a
Ianao Andriamanitra Ray mahefa
Rainay mahefa ny zaka jiaby e

4-        Voninahitra anie ho an'Jesoa
Tompo Ry Jesoa zanaka Lahitokana
Ianao dia Tompo Zagnahary e
Ianao zanak'ondrin'Andriamanitra

5-        Ry zanak'ondry, zanaky ny Ray e
Ianao no manala ny fahotana a
Ny fahotan'izao tontolo izao
Koa mamindrà fo aminay e

6-        Ianao no manala ny fahotana
Koa mba raiso ny fifonanay e
Mipetraka an-kavanan'Izy Ray
Koa mba mamindrà fo aminay e

7-        Ianao irery no masiny sy
Tompo Ianao irery no avo indrindra
Miaraka amy Fanahy Masiny mpankahery e
Ao amy voninahitry ny Ray.

Nampiditra hery
Sokajy Voninahitra
Karine Dera p. 470
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158