Ambarao ataovy antso avo

Fiv:  Ambarao ataovy antso avo
Fa velona ny Tompon'ny Aina
Indreo ary Izy fa nasandratra
Ho Tompo sy Mpanjaka

(Mt 20,7; Fil 2,9-11]

Nitsangana ny Tompo
Nitsangana ho velona (Lk 24,34)

1- 'Lay iraky ny Ray
Hitory famonjena
Hiantso ny rehetra (Jn 6,37-40)

Hitodika amy Ray
Izy no santatra
Isika hanaraka Azy (1 Co 12,20)

2- 'Lay nohelohina ho faty
Ilay nahantona iny e
Nomena fahefana

Handidy ny tontolo
Tompon'ny fiainana
Hozaraina amintsika e (Asa 2,23-36; 4,10.13)

3- Lazao ka ambarao 
Amin'ny feo mahery
F'ilay novonoina

Dia i Jesoa Kristy
Tompo Naseho ankarihary
Ho voninahitry ny Ray e (Fil 2,6-11; asa 2,36)

Nampiditra hery
Sokajy Fanirahana
Antsao ny Tompo p. 84
Karine Dera p. 453
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091