Velogno tatobeky ny Tompo

Tamin-kitsim-po tokoa (in-2),
Tamin-kitsim-po tokoa ireo misionera
No nitory ny Vaovao Mahafaly,
Tamin-kitsim-po tokoa
No nandraisanay ny Tenin'ny Tompo.
Velogno ô !

Velogno tatobeky e ny Tompo
Misaotra Anao zahay a Baba.

  1. Ireo Misionera namaky lay,
    Tojo ny jaly sy fanenjehana e !
    Nandiadia fatsy sy haram-bato;
    Teo koa ny hatsiaka sy piti-môka.
    Tsy mba nitarain-tanan-kempaka
    Fa nentim-pitiavana mahatoky.
    Velogno  ô !
  2. Tsy mba nitarain-tanan-kempaka;
    Nandresy ilay ratsy nangeja anay,
    Resiny ilay fahotana ratsy,
    Resy ny fitiavan-tenanay e !
    Fahafatesana izay nampangorohoro,
    Lasa lalana mankany amin'Andriamanitra e !
    Velogno ô !
  3. Zato taona nitoriana ny Evanjely,
    Zato taona nandraisana ny Tompo.
    Tao ny batemy sy mariazy,
    Eo koa (ny) Pretra sy (ny) Relijiozy,
    Ireo olomangam-pirenena,
    Hanavotra ny vahoakan'Andriamanitra.

                Velogno tatobeky ny Tompo,
                Misaotra anao zahay Baba !

Nampiditra hery
Antsao ny Tompo p. 66
Karine Dera p. 447
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716