Mahavelogno ô
Mahavelogno ô !
Ny sakafo izay amiako anarô
Ho fiainana hifampizaran'olo jiaby
mba ho velogno
mba ho velogno
1. Miasà ianarô tsy hitady raha
Hohanina iniany mba ho voky,
Fa ny hanina amiako,
Ho fiainana mandrakizay !
2. Ny Razanarô tany an'efitra,
Dia voky mana nefa maty
Tsy mba mirana izany,
Ny Mofo amiako anaro !
3. Tsy i Moizy no tompon'ny mofo,
Izay azo ivelomana fa ny Raiko
Ny Eokaristia no nataony
ho sakafon'ny maro
4. Ny Eokaristia no sakafo,
Sahaza olo jiaby ivelomana
'Zay ambaran'ny fampitomboana,
Ny mofo sy laoko