Irinareo va re ny Tenin'ny Tompo

1 – Irinareo va re ny Tenin’ny Tompo ?
     Irinay ny Tenin’ny Tompo e, e, ia !
     Aleloia, Aleloia, Aleloia a, a, a !

Irinay ny Tenin’ny Tompo, aleloia !

Réf: Tamin’ny alalan’i Abrahama, ….
Tamin’ny alalan’i Môizy, ….

Tamin’ny alalan’ny Mpaminany, …
Tamin’ny alalan’ny Apostoly...

Amin’ny alalan’ireo Papa, …
Amin’ny alalan’ireo Eveka ….

Amin’ny alalan’ireo Pretra …
Amin’ny alalan’ny zava-misy, …

Zava-misy amin’ny fiainanay, …
Iainanay isan’andro vaky. …

2 – Inoanareo va re ny Tenin’ny Tompo ?
     Inoanay ny Tenin’ny Tompo, e, e, ia !
     Aleloia, aleloia, Aleloia a, a, a !

Inoanay ny Tenin’ny Tompo Aleloia !

3 – Raisinareo va re ny Tenin’ny Tompo ?
     Raisinay ny Tenin’ny Tompo e, e, ia !
     Aleloia, Aleloia, Aleloia, a, a, a!

Raisinay ny Tenin’ny Tompo, aleloia.

4 – Tananareo va re ny Tenin’ny Tompo ?
     Tananay ny Tenin’ny Tompo e, e, ia 
     Aleloia, aleloia, aleloia a, a, a !

Tananay ny Tenin’ny Tompo, Aleloia ! 

Nampiditra hery
Fihirana Hasina p. 836
Karine Dera p. 439
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097