Ô ry Fanahy

Fiv.: Ô ! ry Fanahy ô
Fanahy Masina ô
Misaotra Anao 'zahay

Vah. : ianao Fanahy ô (Masina e) !
    Ianao Fanahy ô!

1. Ianao Fanahin'i Jesoa,
izay nirahiny ho anay Ianao no fahamarinana,
ka manamasina anay Ianao no hery lehibe,
ka mampijoro anay Avia Fanahy ô !
ka misaotra Anao izahay

2. Ianao Fanahin'i Jesoa,
izay nirahiny ho anay Ianao no tena fitiavana,
ka mampifankatia anay Ianao no mpanala alahelo,
ka maha-tretrika anay Avia Fanahy ô !
ka misaotra Anao izahay

3. Ianao Fanahin'i Jesoa,
izay nirahiny ho anay Ianao mpitantana anay,
mitondra anay ho amin'i Ray Ianao no fahazavana,
ka mampianatra anay Avia Fanahy ô !
Ka misaotra Anao izahay.

Nampiditra hery
Sokajy Fanahy Masina
Karine Dera p. 428
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0581