Litania

Tompo ô, mamindrà fo aminay Kristy ô,
mamindrà fo aminay Tompo ô,
mamindrà fo aminay Mivavaha ho anay e !
Ry Masina Maria Renin'Andrimanitra ô
Ry Masina Misely Arkanjely
Anarô jiaby Anjely Masin'Andriamanitra

Md Joany Batista
Md. François Xavier
Md. Jean Marie Vianney
Md. Piera sy Paoly
Mb. Thérèse
Md. André, apôstôly
Md. Lin
Md. Joany, apôstôly
Md. Alexis
Md. Etienne Martiry
Mb. Bernadette
Mb. Marie Madeleine
Md. Benoit
Md. Marka, evanjelista
Md. Léonce
Md. Ignace tao Antioche
Mb. Justine
Md. Augustin
Bienheureux Jacques Berthieu
Victoire Rasoamanarivo, olon-tsambatra
Md. Albert le Grand
Anarô razana jiaby any an-danitra ô
anarô olo-masin'Andriamanitra jiaby.

AFAHO IZAHAY RY TOMPO

Mba iantrao izahay e
amin'ireny ratsy jiaby
amin'ireo fahotanay jiaby e
amin'ny fahafatesana mandrakizay
Noho Ianao naka nofo
Nijaly sy maty ary velôn ndreky
Noho ianao efa any an-danitra e
Maniraka ny fanahinao
Ary 
amin'ny andrô impodiananao

MBA HENOY IZAHAY, RY TOMPO !

- Mpanota izahay jiaby,
ampio ny fiangonanao,
tariho ialana sy arovy
- Ny Papa sy ny Eveka ary ireo mpanampy azy:
- hamafiso ny finoana
- Orneo ny fanahinao ireo vahoaka jiaby:
hiara-monina am-piadanana
- Izahay vory eto mba herezo hatrany,
mbahaharitra hanompo Anao
- Ireto tovolahy voafidinao,
tsofy rano hamasino
- Ity nofidinao: tsofy rano,
fa hatokana ho Anao.
 

Tompo ô, henoy izahay e
Kristy ô,
ekeo ny vavakay e
Tompo ô, 
ekeo ny vavakay.

Nampiditra hery
Karine Dera p. 419
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0702