Aleloia, ny Tenin'ny Tompo

Aleloia e
Aleloia ny Tenin'ny Tompo
Oia ie ny Tenin'ny Tompo o ia
Oia e Aleloia !

1 - E 'zay manatona anao Jesoa ô, aleloia, ô ia e
'Zay mihaino ny Teny nambaranao ô aleloia
Ka miaina sy manatanteraka azy e ia
Karaha olon-draiky nanorin-trano aleloia ô ia e
Nanorin-trano ambony vatolampy
Ambony vatolampy ka mafy orina
E tondra-drano sy oram-baratra e aleloia ia e
Tsy mampiova, tsy mampihetsika azy e aleloia
Satria izy ambony vatolampy Aieloia e e ia...

2- E 'zay manatona anao Jesoa, aleloia ô ia e
Tsy mitandrina didy lazainao aleloia
Tsy miaina, tsy manatanteraka azy e e ia
Karaha olon-draiky manorin-trano aleloia ô ia e
Manorin-trano ambony torapasika aleloia
Tsy hary fomba tsara, tsy marim-pototra e e ia
E ranobe sy rivo-doza e aleloia ô ia e
Nirodana niaraka tamin'izay e aleloia
Ka loza ny faharavan'izany Aleloia a e e ia....

Nampiditra hery
Karine Dera p. 415
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093