Falifaly izahay e! ravoravo (Exultet)

Falifaly izahay e! ravoravo ô (bis)
Mifalia miravoa, ry Anjely tsy hita isa;
Mifalia miravoa, ry tany onenanay é!
Mifalia miravoa, ry Eglizy reninay é
Fa manerana ny tany rehetra ny hazavana
Tonga ny androm-pamonjena ho antsika
Fa nandresy ny Tompo ilay Mpanjakantsika

Midera Anano izahay, ry Tompo
Midera Anano izahay, ry Tompo

Asandrato ny fonareo
Hidera an'Andriamanitra (midera anao izahay e )
Midera Anao izahay, ry Tompo.
Mendrika Anao Andriamanitray e
Ny fiderana avy aminay e
Andriamanitra tsy hitan'ny masonay e
Sy i Jesoa Zanakao (midera anao izahay e )
I Jesoa Zanakao
Manefa ny trosanay e
Navelan'i Adama
Ka nandatsaka ny rany (midera Anao izahay e )
I Jesoa Zanakao Zanak'Ondry tsy manantsiny
Entinay mankalaza
Ny Paka eto aminay e (midera Anao izahay e )

Ity tokoa ny andron'ny Famonjena
Ity tokoa ny andron'ny Famonjena

Mahatsiaro ny vahoaka afaka tany Ejipta
Nandia tany maina, namaky ny ranomasina
Izy nampisava ny haizin'ny fahotana
Mankalaza ny Tompo nandresy ny fahafatesana
Dia namerina anay vahoaka hihavana aminao
Hiombonanay anjara amin'olomasina.
Mankalaza ny Tompo nandresy ny fahafatesana
Ka namonjy ny mpino eran'ny vazantany
Mba hiala amin'ny haratsian'ny fahotana.

Tianao izahahy, ry Tompo
Tianao izahahy, ry Tompo

Asandrato ny fonareo ô
Hidera an'Andriamanitra (fa tianao izahay e)
Tianao izahay, ry Tompo
Lalina ho anay e!
Ny fitiavanao anay e!
Fa mpanota izahay
Nomenao ny Zanakao ( tianao izahay e)
Fa ny fahotan'i Adama
Nanomezanao ny Mpamonjy
Nandresy ny fahafatesana
Dia i Jesoa Zanakao (tianao izahay e)
Ny alina mahasambatra
Mampihavana aminao ny lanitra sy ny tany
Mampiray ny olombelona (tianao izahay)
Ny aliña mahasambatra
Manamasina anay vahoaka
Manasa ny fahotana
Mizara ny hafaliana (tianao izahay e)

Ity, ry Tompo, ny jiro manazava
Ity, ry Tompo, ny jiro manazava

Izahay vahoaka miara-manolotra azy
Ray ô, mba raiso ny jiro atao sorona
Atolotray Anao 'zao takariva
Fa natokana hankalazana ny voninahitrao
Hankasitrahin'ny fonao ô, ry Tompo
I Jesoa manazava ny fiainanay
Aza avela ho lefy, ry Tompo, ny hazavana
Hamiratra toy ny kintana fitarik'andro
Kristy nitsangan-ko velona Masoandro

Midera Anao izahay, ry Tompo
Midera Anao izahay, ry Tompo

Asandrato ny fonareo
Hidera an'Andriamanitra (Midera anao izahay e)
Midera Anao izahay, ry Tompo.
I Jesoa Zanakao natsanganao ho anay
Manazava ny fiainanay
Mitondra ny fiadanana (Midera Anao izahay e)

Falifaly izahay e, ravoravo ô
Falifaly izahay e, ravoravo ô

Koa mihanta aminao izahay e, ry Andriamanitra ô
Mba tahio sy tsimbino ny vahoaka
Dia hahafantatra ny fiadanana ny andronay e!
Izahay mankalaza ny Paka
Miaraka amin'i Jesoa Zanakao
'Zay natsanganao ho velona ho anay e
'Zay natsanganao ho velona ho anay e

Falifaly izahay e, ravoravo ô

Nampiditra hery
Sokajy Paka
Antsao ny Tompo p. 201
Fihirana Hasina p. 837
Karine Dera p. 410
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097