Tompo ô, raisinay ‘lay

Tompo ô, raisinay ‘lay vavaka izay nampianarinao anay e !
Hanandratanay ny voninahitry ny Ray ‘zay any an-danitra any e !
Hanandratanay ny voninahitry ny Ray ‘zay any an-danitra.

Ry Rainay izay any an-danitra any,
Hohamasinina anie ny anaranao,
Ho tonga anie ny Fanjakanao,
Ho tanteraka anie ny sitraponao,
Ety an-tany tahaka ny any an-danitra any.

Omeo anay anio ny haninay isan’andro,
Avelao ny fahotanay,
Tahaka ny namelanay ‘zay nanao ratsy taminay,
Aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay,
Fa manafaha anay amin’ny ratsy.

Fa Anao ny fanjakana sy ny hery
Anao ny voninahitra mandrakizay, Amen.
Anao ny voninahitra mandrakizay, Amen.

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1703