Mba raiso ny tolotray e

Mba raiso ny tolotray e e,
Mba raiso ry Tomponay ô ô
Mba raiso ho fanatitray e e,
mba raiso raha sitrakao.

1.- Ny mofo sy divay e e ,
Mba raiso ka ovay e e
Mba ho Vatana sy ho Ràn’i Jesoa,
Mba ekeo re ry Tomponay ô ô.

2.- Ny asan’ny Dadanay e e,
Ny asan’ny Mamanay e e
Amelomana anay am-pitiavana,
Mba ekeo re ry Tomponay ô ô.

3.- Ampio ‘zahay ry Tompo ô,
Hahay hifampizara e
Ireo fanomezanao fito,
Mba ekeo re ry Tomponay ô.
 

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0903