Ndreto ‘zahay/izahay ô ry Ray manolo-tena aminao

1.- Ndreto ‘zahay ô ry Ray ô
     Manolo-tena aminao
     Miaraka amy Jesoa Kristy e
     Mofo sy divay anie
     No mba entinay eto ô
     Mba ovao ho tenany,
     Mba ovao ho ran’i Jesoa ô.

2.- Ao aminao no misy
     Reo fahefana rehetra
     ‘Zay mety hahavonjy
     Ka ny ahiahinay,
     Asa loha isan’andro ô
     Mba ovao ho tolotra
     Ankasitrahan’i Jesoa.

3.- Ndreto ‘zahay ô ry Ray ô
     Manodidina ny ôtely
     ‘Zay manandra-peo aminao
     Ka ny ezakay anie
     ‘Reo adidy marobe
     Mba ovao ho sorona
     Ankasitrahan’i Jesoa.

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 307
Fihirana Hasina p. 841
Karine Dera p. 504
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092