Ndreto ô, ndreto izahay Baba e

Ndreto ô ! ô ! Ndreto ‘zahay Baba e ! navy e ia ! (2)

Havy manatrika eto ô ia ! sanatria tsy hanôtohôto
Fa nasesiky ny haravoana e ia !

Kay ravoravo ‘zahay jiaby, mahita ny zavatra vitanao
Tsisy raha atôlotro Anao, afa-tsy ny fisaorana e ia !

Indreto izahay a Baba a !
Mitondra ‘zay kely hitanay e !
Tsy hoe habaizan-draha,
Fa vokatry ny haravoananay e !
Ô ! ô ! atolotray anao a Baba !
Ô ! ô ! ‘zay kely mba voatsirambinay e !

Ndregny ny môfo ô ia !
‘zay vokatry ny tany e ia !
Indregny divainy e ia !
‘zay vokatry ny voaloboka ô ia !
Vokatry ny asan’ôlombelogno ô ia !
vokatry ny hasasaranay e ia !
Mba raiso re a Baba e e ia
Baba e e ia

Ny asanay jiaby e ia !
ny fiainanay tontolo ô ia !
Miaraka amin’ireo jalinay e ia !
Zava-manahirana andavan’andro ô ia !
Eo koa ireo haravoana e ia !
Sy ireo fahombiazanay e ia !
Mba raiso re a Baba e ia !
Oa Baba eia, Baba eia, Baba eia

Ny Tanindrazanay e ia !
Ny firenenay e ia !
Ny tanoranay e ia !
Ndraiky ‘zahay jiaby e ia !
Ny voaary tontolo ô ia !
Sy ny raha jiaby tsy voajijy e ia !
Mba raiso re a Baba e e ia !
Oa Baba e e ia ! Baba e e ia ! Baba e e ia !
 

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091