Voninahitra ho anao e ! Ho anao ry Rainay e !
Voninahitra ho anao e ! Fa ianao no avo indrindra
Fiadanana ho anay, olombelona rehetra
Fa nanehoany ny fitiavany, fitiavan-dehibe
Mihoby ny hasinao izahay, midera anao izahay
Mankalaza anao izahay, mitsaoka anao izahay
Ry Tompo Andriamanitra ô, Mpanjakan’ny lanitra
Andriamanitra Ray mahefa a ! ny zavatra rehetra
Ry Jesoa Kristy, Lahitokan’Andriamanitra
Zanak’Ondrin’Andriamanitra, Zanaky ny Ray
Ianao irery no masina, Ianao irery no Tompo
Ianao irery no avo indrindra a ! ka mamindrà fo aminay
Ry Jesoa Tompo, Mpamonjy ny mpanota
Mpanjakanay, Mpanafaka anay
Mipetraka eo ankavanan’izy Ray,
Miaraka amin’ny Fanahy Masina
Toloranay Dera sy Haja ary Voninahitra mandrakizay