Andao re Ry L.K.M.
Andao re (Ry L.K.M.)
Andao re (RY Z.M.M.)
Andao re (Hiara-miasa)
Tonga dia lasa
Aza ela fikasa
Mihemotra tsy lasa
Andao re, hiara-miasa
andao re hanavao ny tany
Andao re hiara-miasa
1. Ry mpiray dinidinika eran-tany
Miara-miaina amin'i Jesoa hatrany
ndao isika ry zareo hanavao ny tany
Amin'ny fanasina tsy mety lany (2)
2. Izao no mboa ilozohy amin'izao fotoana izao
Ezaho sy ilofosy mba ho tsaroana
Andosiro sy ialao ny fahalotoana
Fa ianao nofitaratra manoloana (2)
3. Mivonona hanatevina ny laharana
Kristy miantso anao eo am-baravarana
Na ho lalan-tsarotra na fidinana na fiakarana
ao an-tanimbolin'ny Tompo no ifankatiavana (2)
4. Raha sendra ianao ka tojo tsy eran'ny aina
Fadio ny ho kivy na hitaraina
Sikino hery re ny fo sy ny saina
Ny herin'ny Avo indrindra no ataovy aina (2)
5. Tsy handeha irery ianao fa matokia
Fa ao ireo mpiaro antsika ka mifalia
Masindahy Paoly ary koa Masina Maria
Izy ireo no hitantana ny dia (2)