Ankalazainay e, derainay

Nampiditra: admin


  • Vavaka sy Hira p. "822

Ankalazainay e, derainay e,
Ianao Ray maminay
Hobinay e, asandratray e
'Lay Reny tokinay

1. Ry loharanon'ny soa
Miteraka an'i Jesoa
Ampionao izahay e (2)
Mba tsy hangaihay.

2. Mitory hevitra tsara
No sady mpizarazara
Ny soa avy amin'ny Tompo
Ho anao mpanompo.

3. Mpanjakavavy manetry tena
Lalan'ny firenena
Kintana fitarikandro
Banjininay andavanandro

4. Drianinay lalandava
Ny voninahitrao mazava
Ny anaranao Maria
Dria, dria, dria.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0077 s.] - Hanohana anay