Misokafa re, ry lanitra eo ambony

Nampiditra: admin
Sokajy: Olomasina,


  • Vavaka sy Hira p. "798

1. Misokafa re, ry lanitra eo ambony

Hitazanako ilay santatray e,

Fa ny fonay Malagasy feno tky

Hahita azy ao anatinao!

 

Fiv.

Victoire, anara-maminay

Victoire, modely sy fanilo

Victoire, ilay reharehanay

Victoire, Mpiaro malalanay!

 

2. Miangavy Anao izahay, Andriamanitra o

Asehoy re hiharihary

'Zay voninahitra mamirapiratra

Nomenao ilay Zoky santatray

 

3. Tompo o, ny firenenay Malagasy

Mitalaho tongotra aman-tanana

Asandrato ho Olomasin'ny Eglizinao

I Victoire mpanompovavinao


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0080 s.] - Hanohana anay