Kintana telo mirefy

Nampiditra: admin


  • Vavaka sy Hira p. "796

Kintana telo mirefy; Masina e (2)

Ianao Andriamanitray o; Masina (2)

Ianao ry Ray o

Ianao ry Zanaka

Ianao ry Fanahy Masina o

 

1. Midera anao 'zahay e

Ry Tompo Zanaharinay o

Andriamanitra tokana

Kanefa olona telo

 

2. Ny Ray tia ny Zanaka

Ny Zanaka tia ny Ray

Ilay Fanahy fitiavana

Fifankatiavanareo

 

3, Ianao irery no Masina

Ianao irery no Tompo

Ianao no Avo indrindra

Tompoina sy ankalazaina

 

4,  Ray o, indreto izahay

Iray amin'ny Zanakao

Velomin'ny Fanahy Masina

Ato amin'ny fitiavanao

 

5. Indray andro any izahay

Ho sambatra ao aminao

Miaraka amin'ny anjely

Hiventy izao hira izao


 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay