Indreto 'zahay, ry Ray Tsitoha

1. Indreto 'zahay, ry Ray Tsitoha

Manolotra ny tenanay

Miaraka amin'i Jesoa Tompo

Ka mba ekeo 'zahay

 

2. Ny mofo sy ny divay, ry Ray

No asa tananay rehetra

Solontenanay amin'ny otely

Ka mba ekeo, 'zahay

 

3. Ho sorona fanoneranay

Ny ota vitanay rehetra

Sy ny fibebahan'ny mpanota

Ka mba ekeo 'zahay

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Vavaka sy Hira p. 734
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094