Voninahitra ho an'Andriamanitra any an-danitra mandrakizay

Voninahitra ho an'Andriamanitra
any an-danitra mandrakizay
Fiadanana ho an'ny olombelona
nanehoany ny hatsaram-pony

1. Midera anao 'zahay, ry Tompo Andriamanitra o,
Mankalaza Anao 'zahay, ry Mpanjakan'ny lanitra,
Mitsaoka sy mihoby ny hasinao 'zahay
Misaotra anao ry Ray be voninahitra.

2. Midera Anao 'zahay, ry Jesoa Kristy Tompo o,
Mankalaza anao, ry zanaka lahitokana,
Mitsaoka anao 'zahay, ry zanak'ondry masina o
Misaotra Anao 'zahay, ry zanaky ny Ray

3. Ianao ilay manala ny fahotan'ny olona,
Ianao mipetraka eo ankavanan'ny Ray
Mba mitalaho izahay, henoy ny vavakay
Afaho ny helokay, raiso ny fifonanay

4. Midera Anao 'zahay, ry Jesoa Tompo masina,
Mankalaza Anao 'zahay, o ry Tompo avo indrindra,
Mitsaoka sy mihoby ny hasinao, ry Ray
Anao ny haja, ry Fanahy Masina

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Fihirana Vaovao p. 356
Vavaka sy Hira p. 716
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0366