Akondro milofika i Kristy

Nampiditra: admin
Sokajy: Paka,


  • Vavaka sy Hira p. "705

1. Akondro milofika miondrika an-tany
Ny raviny ringitra, vasoky ny andro;
Nilofika hatramin'ny faran'ny Ainy,
Ny nofony tena sakafo nomeny:
Voankazo lonjehitra hanim-bahoaka. Kristy!

2. Akonjo milofika miondrika an-tany
Tsy zakan'ny taho fa vokatra loatra
Ny vatany itoeran'ny hasin'ny Ray
Loharano tsy ritra ipoiran'ny aina:
Voankazo lonjehitra hanim-bahoaka . Kristy!

3. Akondro milofika miondrika an-tany
Kapaina hamela solofo alikisa
Fa maty nesorina tamin'ny hazo,
Natsangan'ny Ray mba hamelona antsika:
Voankazo lonjehitra hanim-bahoaka. Kristy!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay