Ny fahasoavan'Andriamanitra niseho an-karihary

1. Ny fahasoavan'Andriamanitra niseho an-karihary
Loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra,
        Ka mampianatra antsika mba hiala
        Amin'ny ota 'zay mpahazo ny tsy mpino
Sy filàna 'zay mpisarika ny olona eto an-tany.

Fiv. Niseho an-karihary ny fahasoavan'Andriamanitra

2. Aoka ho malina isika, ho mpivavaka tokoa
Sy hanaraka ny marina amin'ny androntsika izao,
        Fa miandry ny fahasambarana antenaina,
        Ny fisehon'ny voninahitr'i Jesoa
'Lay Kristy Mpamonjy antsika andriamanitra Mahery.

 

3. Ary Izy rahateo dia nanolotra ny tenany
Hanavotany antsika amin'ny hadisoan-drehetra
        Sy mba hanasàny antsika ho voadio.
        Fa natokany ho vahoaka mba ho azy
Sy hikely aina fatratra amin'ny fanaovan-tsoa.

 

Nampiditra admin
Ankalazao ny Tompo p. 369
Fihirana Vaovao p. 507
Vavaka sy Hira p. 650
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0889