Midina, ry Anjely, hiaraka aminay (Md. Stanislas Kostka)

Fiv
Midina ry Anjely,
Hiaraka aminay
Hidera ilay zatovo
Mpiaro ny fonay

1. Tsy olona fa anjely
No deraintsika izao
Tolory hajaizy
Sy fiderana be.

2. Fony izy zazakely
Efa olo-masimbe
Fa be fitiavana izy
Sy haiovam-po

3. Ny fony trano volan'
Ny Zanaharintsika
Mirehi-pitiavana
An'i Jesoa sy Maria

4. Na dia nosakanan'
Ny rahon'ny demony
Dia notanterahiny
Nydidin-Janahary

5. Ny fitondrany tena
Soraty am-pontsika
Ho fianarantsika
Ny tokony hatao
 

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Vavaka sy Hira p. 632
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0983