Any an-danitra ianao

1. Any an-danitra ianao,

O ry Terezy andrandrainay,

Topazo maso 'reto Malagasy

Mifefy sy mangataka aminao.

Fiv.

Tsarovinao ry zokinay,

Ny teny mamy napetrakao

Ny soa eo am-pelatananao

Arotsahy re eto Madagasikara (2)

2. Eto an-tanindrazanay

O ry Terezy, 'zay tianay

Ataovy maro 'reo irak'i Jesoa

Hanilo sy hitari-dia anay

 

3. Rahefa ho faty izahay

O ry Terezy antenainay

'zahay rehetra mba tantanonao

Hihaona amin'i Jesoa Tompontsika.

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Vavaka sy Hira p. 629
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0233