Ianao, ry Jesoa Tompo, nanao ny sakramentan'ny Mariazy

Nampiditra: admin
Sokajy: Fanambadiana,


  • Vavaka sy Hira p. "520
  • Fihirana Dera p. "150

1. Ianao ry Jesoa Tompo,
Nanao ny sakramentan'
Ny mariazy masina
Hamonjy ny zanakao

Fiv.
Ry Tompo maminay o, indreto ny zanakao
Nanao ny fanekena teo anatrehanao:
Mangata-pitahiana sy tso-dranonao,
Ho ela velona izy am-panompoana anao.

2. Ny fanekena masina
Mamatotra azy izao
Tsy misy herin'olona
Mahafaka azy ireo.

3. Jereo, ry havan-tiana,
Josefa sy Maria:
Nifankatia tokoa
Ka mba ianaro izy ireo

4. Mifandefera indrindra
ary mba mivavaha:
Ireo tsarovy tsara
Fa vato fehizoro

5. Ny tokantrano tsara
Ambini'i Jesoa
Omeny tombon-tsoa
Sy fiadanam-po

6. Arovy ny mpivady
Miankina aminao
Fa maro ny adidy
Hiantsorohany.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay