Voninahitra ho an'Andriamanitra lolohavina
Voninahitra ho an'Andriamanitra,
Lolohavina an-tampon-doha;
Fiadanana ho an'ny olombelona,
Izay nomeny indrafo.
1 Mankalaza sy midera
Anao 'zahay, ry Rainay ô;
Omenay dera sy laza!
Voninahitra ho Anao!
2 Mankalaza sy midera
Anao 'zahay, Jesoa Kristy;
Afakao ny otanay!
Voninahitra ho Anao!
3 Mankalaza sy midera
'Lay Zanak'ondrin'Andriamanitra;
Miaraka amin'ny Fanahy!
Voninahitra ho Anao!