Omenay voninahitra
Nampiditra: Belle
Sokajy:
Voninahitra,
Omenay voninahitra e, Omenay fanajana e Ianao, ry Tompo Andriamanitra, Ianao ilay Avo indrindra.Omeo anay kosaNy fiadanana ety an-tany,Ny fiadanana ho an'ny olombelona,Ny fiadanana sy ny famindram-po. 1 Ho an'ny Ray ny dera sy ny laza,
Mpanjakan'ny tany aman-danitra,
Mpahary an'izao tontolo izao.
2 Ho an'i Jesoa Zanak'ondrin'Andriamanitra,
Manala ny fahotan'ny olombelona,
Ilay Tompo, 'lay Zanaky ny Ray.
3 Ianao, ry Tompo, no Avo indrindra,
Ianao miaraka amin'ny Fanahy:
Anao irery ihany ny voninahitra.