Mba raiso, ry Tompo
Nampiditra: Belle
Sokajy:
Fanolorana,
Tsy misy raha hafa atolotra Anao,Fa ny harin-tananao ihany;Mba raiso, ry Tompo ô, ny tolotrayNa dia tsy sahaza anao aza. 1 Ny asanay, fisasaranay
No indro entina aminao;
Ny fiainanay, fiezahanay,
Raiso re raha sitrakao.
2 Ny ahiahy, tebitebinay,
No indro entina aminao;
Ny hafaliana sy hakiviana,
Raiso re raha sitrakao.
3 Ny herinao sy halemenay,
No indro entina aminao;
Koa ambino hatrany izahay
Ombao ny fahasoavanao.