'Zahay mitsaoka anao

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fihobiana,


  • Fihirana Hasina p. "749
  • Vavaka sy Hira p. "547

1 'Zahay mitsaoka anao, Tompo Andriamanitray
 Andriamanitra Ray
 Jesoa Kristy zokinay
 Fanahy Masina mpankahery anay.
 
2 Ny Anjelinao sy ny olombelona
 Ny antitra, ny tanora,
 Ny zaza miana-miteny
 Midera anao, Tompo, fa asan-tananao.
 
3 Ny lanitra soa ambonin'ny lohanay,
 Ny masoandro madera,
 Ny kintana manjopiaka
 Midera anao, Tompo, fa asan-tananao.
 
4 Ny tendrombohitra sy ireo lohasaha
 Ireo kirihitr'ala
 Ny rano mikararana
 Midera anao, Tompo, fa asan-tananao.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay