Voninahitra ho an'ny Tompo any ambony

1 Voninahitra ho an'ny Tompo any ambony,
 Ary fiadanana ambonin'ny tany
 Ho an'ny olona be zotom-po: Dera sy laza.
 
2 Ry Jesoa Kristy Tompo Zanaka lahitokana
 Sy Tompo Andriamanitra,
 Zanak'Andriamanitra, Zanaky ny Ray.
 
3 Ianao 'zay manala ny fahotan'ny olona,
 Ekeo ny fifonanay,
 Zanak'ondrin'Andriamanitra, Zanaky ny Ray.
 
4 Fa ianao no hany masina, ry Jesoa Kristy ô,
 Hany avo indrindra,
 Miaraka amin'ny Fanahy Masina: Dera sy laza.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Voninahitra
Fihirana Dera p. 264
Fihirana Hasina p. 747
Fihirana Vaovao p. 350
Vavaka sy Hira p. 710
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091