Tsembo-dra i Jesoa

1 Tsembo-dra i Jesoa
 Tao an-tanimboly;
 Aneneno tsara
 Ny fahotantsika. Ave...
 
2 Kapohina mafy
 Ny Mpamonjintsika.
 Mazotoa isika
 Mba hivalo marina.
 
3 Voasatroka tsilo
 Ny lohan'ny Tompo.
 Ka aza dia miavona,
 Fa manetre tena.
 
4 I Jesoa milanja
 Hazofijaliana
 Milaza amintsika
 Handefitra tsara.
 
5 Miala aina i Jesoa
 An-tampon-Kalvery
 Fantsiho, vonoy
 Ny hevitra ratsy.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Karemy
Fihirana Hasina p. 738
Vavaka sy Hira p. 618
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1422