Ety an-tany iray finoana, ary any an-koatra iray lanitra

Ety an-tany iray finoana,
Ary any an-koatra iray lanitra e.

1- Tokana ihany Andriamanitra Ray aman-dreny iombonantsika:
Ray ao an-danitra ao, ndreto izahay

Fianakaviana sy zanakao (in-2)

2- Tokana ihany ny Tompontsika, izy no zoky iombonantsika:
Kristy Jesoa ô, ndreto izahay Fianakaviana sy zandrinao

3- Tokana ihany ilay Fanahy, izy no aina ivelomantsika:
Fanahy Masina ô, ndreto izahay fianakaviana velominao

4- Tokana ihany ilay Fiangonana fianakaviana iombonantsika:
Kristy Jesoa ô, ndreto izahay fianakaviana nangoninao

5- Tompo iray, batemy iray, finoana iray iombonantsika:
Kristy Jesoa ô, ndreto izahay, ny sitrakao e no sitrakay

Nampiditra nante75
Sokajy Fiadanana
Fihirana Hasina p. 815
Fihirana Vaovao p. 223
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779