Avia, ry Mpamonjy
Avia, ry Mpamonjy, (fa miandry anao 'zahay e)
Avia, ry Mpamonjy, (afaho re 'zahay)
Ianao tokoa, ianao tokoa no toky avotray
Ianao tokoa, ianao tokoa no vonjy herinay.
1- Tompo ô, mba henoy ny antsonay
Mitalaho aminao, mihira manao hoe:
2- Marina sy tsara ianao, ry Tompo ô
Rariny sy hitsiny izay ataonao aminay
3- Sazy mavesatra no anjara mendrika anay
Nefa re, Tompo ô, toneo ny fonao